Tery ny tanàna tsy afaka miaina ao anatin’ny fiainana mahafa-po azy ny tsirairay eto an-drenivohitra, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra toy izao.

  Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra ny zava-misy eto Antananarivo,  feno trano eny fa na dia eny ambony tatatra fivohan’ny rano aza dia misy manorina. Tsy mahagaga rehefa fotoam-pahavaratra toy izao raha dibo-drano ny tanàna. Mikorontana ary tsy azo iainana intsony eto Antananarivo.

Tsy azo hiodivirana intsony noho izany ny tokony hananganana tanàna vaovao miainga amin’ny filan’ny tsirairay mba hialana amin’izao fikorontanana sy fahalotoana ary ny fahatsetseman’ny lakan-drano izao. Ny zava-misy eto Antananarivo mantsy amin’izao, tsy mamaly ny filan’ny mponina intsony ny foto-drafitr’asa misy noho ny fivangongon’ny ankamaroan’ny olona eto Antananarivo. Ny zavatra mahavalalanina anefa, efa miezaka ny mitady vahaolana amin’izany ny fanjakana amin’izao, saingy vohizin’ireo tsy tia fandrosoana sy ireo mpanao « halako bika tsy tiako tarehy » ho fivarotana tanindrazana indray ny zava-misy. Tsy vao i Madagasikara irery akory no nanao izany teto ambonin’ny tany fa maro amin’ireo firenena Afrikana efa mandroso amin’izao ftoana no nanao izany tanàna vaovao raha tsy hiresaka afa tsy Sénégal sy Rwanda isika.

Maniry ny mba hitovy amin’ireny firenena ireny ny ankamaron’ny malagasy. Saingy mijanona ho nofinofy ihany izany raha tsy manana fahavononana ny tsirairay amintsika vahoaka Malagasy. Raha ny mpitondra ihany no hiezaka, heverina fa mandeha ila ihany ny fampandrosoana tiana hapetraka sy dradradraina isan’andro.

 Setra RANDRIANASY