Tomban’ny fandaniana, izay no hiantsoana ilay tolotra vaovao ho fisorohana ny fitambaran’ny fandanian’ireo mpanjifa ka mampidangana ny vidin-jiro sy Rano. Am-polony maro tokoa mantsy ireo olona nitaraina tato ho ato mahakasika izay resaka fidanganan’ny facture izay, ka antony nametrahana izao paikady manokana izao. Ireo mpanjifa tsy nahazoana mariky ny fandaniana na ny “Index” no voakasik’ity tolotra ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tale ara-barotry ny Jirama, Thierry Ramangasoavina. Raha ny fanazava’ity farany, hampiharina avy hatrany ny tomban’ny fandaniana tao anatin’ny telo volana farany raha toa ka tsy tratra an-trano ny mpanjifa iray ka tsy nahazoana “index”.
Mihatra avy hatrany manomboka amin’ity volana janoary ity io tolotra hoan’ny mponina eto Antananarivo, raha ny fanazavana hatrany, ary hiparitaka manerana ireo faritra maro hafa toa i Toamasina, Mahajanga sy Antsiranana ato anatin’ny telo volana voalohany ity taona 2020 ity. Mialohan’ny faran’ny volana jona kosa no hiatra manerana ny tanàna rehetra hiasan’ny Jirama eto Madagasikara.
Andoniaina MARTINA