Notanterahina tao amin’ny foiben’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ny 2 desambra ny fanaovan-tsonia nifaneken’ny governemanta Sinoa sy ny governemanta Malagasy, momba ny tetikasa iray hanatsaràna ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Ny Ambasadaoro Sinoa, Ramatoa Yang Xiaorong, no nisolo tena ny fireneny, ary ny Praiminisitra Ntsay Christian kosa no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’izany lanonana izany. Natrehin’ny minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra,
ary ny Haitao ara-Kajy Mirindra, Ramarolahy Christian, izao fanaovan-tsonia izao.
Raha zohina amin’ny lafiny teknika ity tetikasa ity dia ahafahana manamboatra fotodrafitrasa vaovao
hampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra, ary ahafahana mamorona toby firaketana sy fitantanana
antontan’isa na antontan-kevitra, izay hitondra vokatra eo amin’ny fampiharana ny « e-gouvernance » sy ny fanatsaràna ny tolotra omen’ny fanjakàna, ary hampihena ny saran’ny fifandraisana anatiny eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakàna. Ankoatra izany dia mbola ahafahana mamorona tanàna mirindra amin’ny teknolojia sy ny tambazotra ihany koa io tetikasa io, ohatra amin’izany ny « Tanamasoandro » izay efa atombok’ireo tetikasa tantan’ny Fiadidian’ny Repoblika amin’izao fotoana izao.
Ampiarina ny « e-gouvernance »
Mikasika ny fifandraisan-davitra ihany dia nanambara ny Praiminisitra fa ankoatra ny fahaiza-mitantan’ny ministeran’ny Paositra, eo amin’ny fampivoarana ity vahaolana ara-teknolojika ity, dia tokony hampirindràna tsara amin’ny fampiasana any « e-gouvernance » ity « fitaovana » azontsika ity, mba haharitra izany ary tena hitondra vokatra mivaingana eto amin’ny fitantanana ny fanjakana.
Nampahatsiahy ny fandalovan’ny Praiminisitra lefitra Sinoa teo Madagasikara ny Praiminisitra ka nanolotra fisaorana ho an’ny firenena Sinoa, ka nanazava fa niara-nandrefy ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana ny roa tonta tamin’izany, ary ny fanaovan-tsonia androany dia sady manaporofo fa tsara dia tsara izany fifandraisana izany, no mampiseho ihany koa ny fampiharana izany eo amin’ny fanatanterahana ireo vaindohan-draharaham-pivoarana napetraky ny governemanta. Izany hoe raha miainga avy amin’ny iray amin’ireo vaindohan-draharaha napetraky ny Filohan’ny Repoblika isika, dia ny famerenana haingana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana, dia azo lazaina ankehitriny fa nahazo fitaovana iray entina hanatsaràna ny fitandroana ny fahalemana eto amin’ny tananan’Antananarivo isika, ary hampiasaina ho fanatsarana ny tontolon’ny fampiasam-bola ihany koa izany, mba hisian’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiasam-bola hipaka amin’ny sehatra ara-tsosialy, ara-toekarena, ary eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ka hisy fiantraikiny amin’ny fanovàna eto an-drenivohitra, eny na dia manerana ny Nosy aza ny ezaka natao tamin’ireo fanavaozana ireo, hoy hatrany ny Praiminisitra.