Araky ny fangatahan’ny ministeran’ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo dia nomen’ny Filankevitry ny Minisitra alalana manokana ny Jirama ahafahany mividy solika tsy mandalo ny tsenam-barotra mandritra ny 03 volana hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandrapitsangan’ilay orinasa « State Procurement of Madagascar, S.A » hanafatra solika mivantana.
Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63 603m3 ho an’ny Fuel ary 21 487 m3 ho an’ny Gasoil mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo.
Voaresaka manokana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 13 novambra ny mikasika ny Jirama sy ny vahaolana hoentin’ny fitondram-panjakana hitsinjovana ny mpanjifa izay noho ny fivoaran’ny toetrandro dia manjifa mihoatra noho ny tanjaky ny herinaratra zakan’ny fitaovana misy izay efa tena antitra tokoa ankehitriny. Hisy ny laharana maintso ahafahana mamonjy ny mpanjifa sy mifampizara vaovao raha toa ka misy ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra iray ahafahana mijery sy manamboatra ireo toerana misy fahatapahana.
Hojerena manokana ny mikasika ny rano izay tsy ampy intsony noho ny fahamaroan’ny fitombon’ny mponina ka hisy ny fanapahan-kevitra entitra sy mahavonjy ny rehetra.