Olona 5 no hisolotena ny fitondrana malagasy

Arakan y filankevitry ny minisitra ny 13 novambra dia hodinihana amin’ny alatsinainy 18 Novambra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy aty amin’ny ranomasimbe indiana ka olona 05 no hisolotena ny fitondram-panjakana Malagasy.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ireto olona manaraka ireto : Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny akademia malagasy izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany, Le Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, tale Jeneralin’ny APMF, Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite ny Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika. Fotoana izao hanehoana ny firaisam-pirenena fa adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana.