Araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny 30 ôktobra dia nafindra eny anivon’ny ministera ny fitantanana ny fanarahana ny sehatry ny andramena. Izany no natao dia noho ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny fitantanana ara-drafitra. Tapaka ihany koa ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny governemanta no hitantana ny filankevitra manara-maso ny famindrana sy ny fanafoanana ilay vaomiera iraisan’ny ministera izay ahitana solontena 2 avy ao amin’ny fiadidiana ny governemanta, 2 avy amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola ary solotena 1 avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana.
Ankoatra izay, nolaniana ihany koa ny volavolan-dalàna manome alalana ny famatsiam-bola ho entina manamboatra ireo tetezana eo amin’ny reniranon’i Mangoky izay vatsian’ny OPEP ho amin’ny fampandrosoana iraisampirenena OFID izay mitentina 10 tapitrisa dôlara izay 1% isan-taona ny zana-bola amin’izany. Mpiara-miombon’antoka miisa 4 dia ny BADEA, ny FSD, ny FKDEA ary ny OFID no mifandrimbona amin’ny famatsiana ara-bola ny tetik’asa izay mitotaly 64,28 tapitrisa dôlara.
Tsy ekena ny fandaniam-bolam-panjakana
Tafiditra tao anaty laha-dinika ihany koa ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2020 izay ho atolotra ny antenimiera roa tonta araka ny voafaritry ny lalàna. 11,5% ny tahan’ny fampidiran-ketra ho tratrarina, 5,5% ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena ary 2,8% ny fitotongan’ny harinkarena faobe amin’ny taona 2020. Vinavinaina hahatratra 20,8% ny taham-pitomboan’ny fampiasam-bola miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny taona 2020. Hentitra ny filoham-pirenena amin’ny fijerena akaiky ny fandaniam-bolam-panjakana isaky ny ministera sy ireo vondrom-bahoaka-paritra hitsinjaram-pahefana araka ny nambarany nandritra ny filan-kevitry ny minisitra.
Jean Claude ANDRIAMALALA