Nijery ny fomba fiasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ny tolak’andron’ny 7 ôktôbra ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Notsipihan’ny filohan’ny Repoblika manokana ny fanajana  ny zon’ireo mpandeha sy ny ady amin’ny kolikoly. Varavaran’i Madagasikara Ivato ka tsy tokony ho ny kolikoly sy ny fanararaotana ary laza ratsy  no hampalaza azy.

Nitety ireo sampandraharaha misy, indrindra ireo malaza ratsy noho ny fitarainan’ireo efa nivezivezy ny filoha mba hirosoana amin’ny fanatsarana. Noresahana manokana ny fanajana ny zon’ny olona hifamezivezy an-kalalahana.

 

Afaka mivezivezy an-kalalahana

 

Tsy azo sakanana ny zon’ny  olona hifamezivezy an-kalalahana rehefa ara-dalana izy. Ho an’ireo izay ho any amin’ireo tany efa nahitana olona momba ny fampijaliana teratany Malagasy kosa dia efa misy ny fepetra manokana mipetraka, fepetra nampahatsiahivin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Isan’ireo nampitaraina ny olona sasany  ihany koa ny laharana fiantso  maimaim-poana.

Maro no mitaraina fa tsy mahafa-po ny valin-teny na ny fomba fiasan’io laharana maimaim-pona io, izay eo anivon’ny polisin’ny habakabaka sy ny sisin-tany io  ka isan’ny nojerena nandritra  ny fitsidihana ny hanatsarana izany.

Be loatra tokoa mantsy ireo fitarainana azo ny amin’ny fomba fiasa eo anivon’ity seranam-piaramanidina ity, antony nahatonga ny Filoha nomban’ny ministry ny Filaminam-bahoaka nijery sy nihaona tamin’ireo mpiasa.

 

Judicaël RANDRIANIRINA