Mankalaza ny faha 30 taona ny Akamasoa izay naorin'i Père Pedro.
Nanolotra fanafody 4t hanampiana ireo ankizy amin'ny fitsaboana ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ary nanambara fa hananganana oniversite eo amin'ny Akamasoa.
Ho fankasitrahana ny asa vitany, nakarin'ny filoham-pirenena ho amin’ny laharam-boninahitra « Grande Croix de deuxième classe de l’ordre national » ny Mompera Pedro.
Raha hiverenana ity fankalazana ny faha 30 taona ity, lanonana lehibe niarahana tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo mponina marobe ao amin’ny Akamasoa, notronin'ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, ireo olo-manan-kaja maro Malagasy sy vahiny toa ny solontenan’ny Papa Ray masina sy ny masoivohon'ny vondrona eorpeanina no nanamarihana izany tetsy amin’ny kianja MD piera etsy andralanitra ny alahady 29 septambra lasa teo.
Judicael RANDRIANIRINA