seraben'ny asa dia tsy inona fa hetsika, izay ahitàna tolotra asa sy fampiofanana ho an'ny tanora ka ny ministeran'ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakàna ary ny lalàna sosialy no mikarakara izany.

Miisa 4 tapitrisa ny tanora malagasy tsy an'asa, ka tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 70% amin'izany raha ny antotan'isa nomen'ny ministeran'ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakàna ary ny lalàna sosialy androany. 

Tsapa avy hatrany amin'izany tarehimarika izany fa olana voalohany mianjady amin'ny tanora malagasy ny tsy fisian'asa saingy efa voarakitra anatin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna, izay nalaina tamin'ny velirano faha6 tamin'ny tetikasan'ny filoham-pirenena ny famahàna izany. Isan'ireo paikady hamahàna ny olan'ny tsy fananana asa ny fampihaonana ny mpisehatra rehetra eo amin'ny tontolon'ny asa, na izany ny mpampiasa, na ireo tambazotra mpanome tolotra asa ary ny mpitady asa ihany koa. Hatao any Toamasina ny 25 sy 26 oktobra izao ary ny andiany faharoa amin'ny hetsika antsoina hoe: seraben'ny asa. Ny 70%n'ny tanora dia miasa eo amin'ny sehatra tsy manara-penitra avokoa eto amintsika ary miasa tsizarizary  raha ny antotan'isa nomen'ny ministeran'ny asa hatrany. Tsy maintsy jerena manokana araka izany ny tanora amin'ny tetikasa tahaka izao. miisa 500 ireo tanora nahazo asa teo noho eo nandritra andiany voalohany tamin'ny hetsika seraben'ny asa natao teto antananarivo tamin'ny volana jona teo.  Tsy mijanona eo amin'ny resaka tolotr'asa fotsiny, izay efa hita mahazatra amin'ny hetsika tahaka izao teo aloha ny seraben'ny asa, misy ny fampiofanana an'ireo tanora amin'ny famoronana tetikasa ary miara-misalahy amin'ny rantsana ao amin'ny fiadidiana ny repoblika izay misahana ny "fihariana" sy miaraka amin'ny rantsan'ny firenena mikambana momba ny asa na ny OIT ny ministeran'ny asa ny fampanana asa, ny asam-panjakàna ary ny lalàna sosialy amin'ny fikarakarana ity hetsika ity.   

Jay Randriamaro