Araka ny fampanantenàna sy ny  velirano nataon’ny filohan’ny repoblika momban’ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakàna mba hampisy tombotsoa mivantana ho an’ny vahoaka dia miroso amin’ny fantanterahana izany hatrany hatrany ireo ministera isan’isany. 

Tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 11 septambra fa tsy maintsy hatomboka mialohan’ny faran’ity volana septambra ity ny fantanterahana an’ireo fananganana fotodrafitr’asa rehetra voafaritra ao anatin’ny  PIP na ny fandaharan’asa ho an’ny fampiasambolam-panjakàna ho an’ny minstera isan’isany ka fotodrafitr’asa an-jatony no hitsangana amin’izany. Efa tao amin’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ho an’ny taona 2019 izay nivoaka tamin’ny volana  mey teo no namaritra fa hiompana amin’ny fananganana fotodrafitr’asa ny 60% amin’ny fampiasàna ny volam-panjakàna manomboka amin’ity taona ity. Politika izay mazava loatra fa hiteraka asa marobe  ary tsy hisy fandanianiam-poana ny volam-panjakàna intsony.

 

Vokatsoa mivantana

 

Tsy vitan’izay fa ny fotodrafitr’asa mitsangana ihany koa dia hiteraka vokatsoa mivantana ho an’ny vahoaka raha tsy hilaza afa-tsy ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana fotsiny ohatra. Tapaka   tamin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly ary fa tsy maintsy hatomboka mialohan’ny faran’ny volana septambra ity avokoa ireo fananganana fotodrafitr’asa izay voafaritra tany amin’ny programan’ny ministera isan’isany.  Ao anatin’izany ny ministeran’ny fitsaràna dia manazava ny fanombohan’ny asa fanarenana sy fanamboarana fonja manara-penitra isan-tsokajiny sy ny toeram-pitsaràna izay ho amin’ity taona ity avokoa. Ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana, ny asa vaventy dia nampahafantatra fa efa mandeha ankehitriny ny tetik’asa fanarenanaireo renivohitra rehetra tafiditra ao anatin’ny PNDU. isan’izany ireo lalan- kely sy toeram-pivoahana manerana ireo renivohi-paritany rehetra izay isan’ny miantomboka eto Antananarivo.  Miisa 30 ireo EPP ahitàna efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka faritra miisa 19 no indray misitraka izany fotodrafitr’asa izany. Miisa 8 ihany koa ireo CEG ahitàna efitrano 24 avy ka faritra 8 no mahazo izany.  Miisa 11 ireo centres agricoles ahitàna efitrano 12 isanisany avy ka faritra 11 no mahazo izany. Ary farany dia ny ivon-toeram-panofanana momban’ny asa izay ahitàna efitrano 2 isanisany izay ho atsangana amina renivohi-paritra miisa 14.                

Jay Randriamaro