Ho atsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny FNUAP
Tontosa ny zoma 26 jolay teo ny tomban’asa amin’ny fiarahan’ny FNUAP sy ny Governemanta Malagasy, amin’ity taona 2019 ity.
Tanteraka ny faha-26 ny volana jolay teo ny tomban’asa nifanaovan’ny governemanta Malagasy sy ny FNUAP. Fotoana nahafahana nijery ireo paikady sy ireo fomba mety ampivoarana ny farim-piainan’ny malagasy sy ny maha-olona mihitsy, io fivoriana io teny amin’ny Hotel Panorama io. Nahafahana namaritra ireo tanjona ankapobeany tokony ho tratrarina ihany koa. Teboka telo lehibe everina hitondra fanovana hoan’i Madagasikara no tapaka nandritra io fivoriana io : ny fampihenana ny fahafatesan’ny vehivavy eo am-piterahana, izay azo sorohana tsara, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ary indrindra fanamafisana ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta.
 
Tonga nanatrika ny fivoriana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ny ministry ny Toekarena sy ny tetibola, Richard RANDRIAMANDRATO. Nambarany tamin’io fotoana io fa isan’ny fampandrosoana mahaomby sy hitera-boka-tsoa hoan’ny firenentsika ny fiarahamiasan’i Madagasikara amin’ny FNUAP. Ny FNUAP moa izay mikendry ny fampivoarana ny maha-olona, ny hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy ihany koa, indrindra indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora.
 
Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO