Mba ho toa ny « Mandela Day », fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’i Nelson Mandela ny andro rehetra, hitondrana fanantenana hoan’ny manodidina, io no foto-kevitra nentin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo nanamarika ny andro omaly. Natao hanentanana ny mpiara-belona ihany koa ka niara-dia tamin’izy ireo nizara fanampiana toa ny akanjo, sakafo ary fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana sy ny toerana fitaizana azy ireo sy ireo zaza kamboty tetsy Nanisana, ary hoan’ireo vehivavy voafonja etsy Antanimora ny masoivohon’i Afrika Atsimo.
Ireo zaza kamboty sy ireo ankizy sahirana tsy voaahy eo amin’ny fiaraha-monina, maneho ireo sokajin’olona voahilika no nofidian’ny masoivohon’i afrika Atsimo hanamarihana ny « Mandela Day » tamin’ity taona 2019 ity. Lisitra maro no tonga teo ampelatanan’izy ireo ary ny trano fitaizana zaza eo Nanisana no voafidy tamin’izany. Niahy zaza kamboty efatra no niantombohany 14 taona lasa izay ary tsy nitsahatra hatramin’izao.
 
Ankihitriny, tsy ireo zaza kamboty IRERY no ampiana sy beazina ao fa eo ihany koa ireo tsy araky ny ray aman-dreny ny famelomana azy ireo sy ny fampianarana. Tonga ary omena sakafo, fanafody na koa fitaovam-pianarana. Mitondra fanantenana ho an’ireo zaza ity trano fitaizana zaza kamboty ity ka izay no nifidianan’ny masoivohon’i afrika Atsimo hanampiana azy ireo satria maneho ny foto-pisainana andrasana amin’ny Mandela DAY izany.
 
101 taona lasa izay no nahaterahan’i Nelson Mandela. Nanomboka ny taona 2009 kosa no nametrahan’ny UNESCO ny 18 jolay andro nahaterahany ho Mandela DAY marihana eran-tany, hanokanana 67 minitra hanampiana ny manodidina. Niady ho an’ny fitovian-jo sy ho an’ny fahafahana i Mandela, koa ankoatr’ireo zaza sahirana, nahazo fanampiana ihany koa ireo vehivavy voafonja omaly. Ary ny faniriana dia ny tsy hijanona amin’ny andro omaly ihany fa ho Mandela Day ny andavan’andro rehetra hoy ny masoivohon’I afrika atsimo.
 
Judicaël RANDRIANIRINA