Vahoaka analik'isa no tonga nitsena ny Barean'i Madagasikara teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny sabotsy teo. Adim-pamataran'andro maro vao tafavoaka teny amin'ny kianjaben'ny Mahamasina ny Barea.
Tamin'ny 3ora tolakandro no nigadona teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Barean'i Madagasikara. Teo am-pahatongavana, maro ireo nifandrombaka naka sary niaraka tamin'ireo mpilalao. Nisaotra ny fanohanan'ny vahoaka malagasy ihany koa ireo mpilalao vatany vao tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina.
Tokony ho tamin'ny 4ora no nivoaka ihazo ny fiara hitondra azy ireo ny mpilalaon'i Barea. Tamin'ny horakoraka no nandraisan'ireo vahoaka marobe efa niandry azy ireo teo ivelany. Nanomboka teo, nifandrombaka nanatona ny fiara nitondra ny mpilalaon'i Barea ireo vahoaka marobe. Sarotra ny fisavana ny lalan'ny fiara noho ny fahamaroan'ireo vahoaka nitsena azy ireo.
Horakoraka sy fifaliana, vahoaka faly manofahofa saina, velon-kira; ireo no nanemotra ny arabe nandalovan'i Barea vao niala teny Ivato.
Ora dimy vao tafavoaka teny Tsarasaotra ireo mpilalao. Maizina vao nandalo an' Ivandry sy Alarobia ny fiara nitondra azy ireo.
Tokony ho tamin'ny iraika ambin’ny folo ora alina vao tonga teny Mahamasina ny Barea, izany hoe naharitra valo ora teo ny nialana teny Ivato nankeny Mahamasina.
Rado RAMANANJATOVO
Setra RANDRIANASY