Hamolavola lalàna ahafahana mametraka ho laharam-pahamehana ny fandrasaina anjaran’ireo orinasa amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana maharitra ny minisitera ny indostria, raha ny tatitra nataony omaly. Maro amin’ireo orinasa eto Madagasikara mantsy no tsy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy akory na dia voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa aza ny tokony hanatanterahina izany.
83 % amini'ireo orinasa 108 nanaovana ny fandihadiana no tena mampihatra ny Responsabilité Sociétale des Enterprise na ny RSE eto Madagasikara. Raha eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra kosa indray, firenena faha 140 amin’ny 149 no misy an’i Madagasikara ankehitriny. Misy tombony betsaka eo amin’ny lafiny fampandrosoana tokoa anefa ny fampiharan’ny orinasa iray izany politika RSE na Responsabilité sociales des entreprises izany.
 
Na dia eo aza anefa izany, mbola maro ihany ireo orinasa no tsy mampihatra ny politika ny RSE na dia voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikiny aza izany, araky ny tatitra ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny indostria. Araka izany, efa eo an-dalàm-pamolavolana lalàna manokana ny minisitera tompon’andraikitra amin’izao fotoana mba ahatrarana ny tanjona amin’ny fampiharana ny RSE. Nisokatra omaly ary hifarana androany ny Salon de la Responsabilité sociétale des Entreprise RSE et de l’Initiative du développement durable na IDD andiany faha 4 etsy amin’ny Gare ny Soarano.
 
Andoniaina MARTINA
Njara RANDRIANTSOA