Natokana ho andro iraisam-pirenena amin’ny fampihenana ny fampiasana ny harona plastika sy ireo akora plastika samihafa ny andron’ny 03 jolay. Raha ny eto amintsika no jerena, betsaka ireo mbola mampiasa akora plastika sy manary izany eny rehetra eny, ka zary manimba ny tontolo iainana. Anisan’ny mandoto ny tontolo iainana tokoa ny fampiasana ny akora plastika satria tsy mety levonina toy ny akora hafa izy ireny.
Mbola afaka aodina anefa ny fako, hamoronana vokatra hafa indray. Misehatra momba izay indrindra ny fikambanana iray izay manangona fako ary manodina izany ho lasa fitaovana fampiasa amin’ny andavanandro. Ohatra amin’izany ny fanamboarana firavaka vita amin’ireny “magazine” ireny ary fitaovana maro samihafa azo ampiaisaina ao an-tokantrano, vita avy amina taratasy na fifangaroana fako. Vehivavy tsy an’asa miisa 75 efa nahazo fampiofanana no nahazo asa tamin’ny tetikasa “fanavotana” natsangan’io fikambanana io.
Arak’izany, efa maro ireo orinasa sy fikambanana mandray an-tanana ireny fako ireny, mba tsy ho very fahantany eny rehetra eny ka mandoto ny tontolo iainana. Tsy mitady lavitra fa ny fampiasaina ny fako ihany dia efa afahana mamoron’asa itadiavam-bola.
Isan’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ohatra tsara amin’izany ity fanodinana ny fako ity, satria sady fiarovana ny tontolo iainana no fanatsaram-piainana hoan’ny tsy an’asa ihany koa.
Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO
Njara RANDRIANTSOA