113 ireo tranga na pesta teto Madagasikara ny 1 aogositra 2018 ka hatramin’ny volana mai 2019. Raha tsiahivina, nahatratra aman’arivony ireo tranga na pesta ny taona 2017 nandritra ny fotona nampirongatra ny valan’aretina pesta ny taona 2017. Mba hampihenana ny isan’ireo olona mety ho voan’ny pesta amin’ny fotoana mampirongatra ny fiparitahan’ny valan’aretina, nanao antso avo ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny amin’ny anjara andraikitra tokony ho raisin’ny tsirairay dieny izao entina hisorohana izany.
 
Isan’ny nasian’ny ministera tsindrim-peo manokana ihany koa ny resaka doro tanety izay mahatonga ny voalavo hiakatra an-tanàna ka manamora ny fiparitahan’ny valan’aretina
Nanamafy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa efa vonona amin’ny fisorohana sy ny fiatrehiana amin’ny ady atao ami’nny pesta raha sanatria ka misy ny fitranagan’ny valan’aretina amin’ity taona ity. Efa nisy rahateo ny fitaovana sy ny fanafody natolotry ny fanjakana foibe sy ireo mpiaramiombon’antoka ahafahana miatrika izany ny 24 jona teo.
Efa aparitaka amin’ireo CSB sy ireo Hopitaly ireo fitaovana sy fanfody ireo raha toa ka sanatria misy ny mety ho fisehoan’ny valan’aretina pesta.Efa manomboka ihany koa ny fanentanana ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fokontany amin’ny fisorohana ny mety hitrangan’ny valan’aretina pesta.
 
Rado RAMANANJATOVO - Anjara RAJAONARIVELO