Tsy namela irery ireo fianakaviana tra-pahoriana ny fitondram-panjakana. Omaly, tonga nankahery ireo havan’ireo namoy ny ainy ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA mivady, sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ary ireo mpiara-miasa amin’ny filoha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, teny amin’ny Petit Palais tao Mahamasina . Ny Filoha Andry RAJOELINA no nitondra ny teny fampihononana ho an’ireo fianakavian’ny maty.

Nasehon’ny mpitondra fanjakana fa tsy irery ireo fianakaviana manam-pahoriana fa eo anilan’izy ireo hatrany. miara-ory tanteraka ny Firenena manontolo amin’izao voina izao.

Ankoatra ny fampaherezana sy fampiononana dia raisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ihany koa ny fitaterana amin’ny andron’ny fandevenana.

 

Miarivola TSIFERANA

Sahy SYLVAIN 

Setra RANDRIANASY