Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny hetsika rehetra hankalazana ny fiverenan'ny fahaleovantena. Ny EMMO no hiandraikitra izany araka ny tapaky ny fivorian'ny OMC ny maraina teo teny Tsimbazaza. Ankoatra izay, nofoanana ny fandrarana ny fanapoahana tsipoapoaka. Araka ny tapaky ny fivorian'ny OMC omaly dia ny EMMO no hiantoka ny fitandroana ny filaminana. Mandritra ny andron'ny 26 jona, hentitra ny fisavana @ fidirana ao @ kianjan'i Mahamasina, tsy azo atao ihany koa ny mitondra zava-maranitra, plastika no hitondrana ny sakafo sy ny zava-pisotro.
Tapaky ny fivorian'ny OMC ihany koa fa foanana ny fandrarana ny fanapoahana tsipoapoaka. Mitoetra kosa anefa ny fandrarana izany amin'ireo toerana toy ny Sekoly, fiangonana, toeram-pitsaboana.
Tanjona ny hanaovan'ny malagasy rehetra fetin'ny fahaleovantena ao anaty filaminana.
Miarivola TSIFERANA - Anjara RAJAONARIVELO