Endrika fitiavan-tanindrazana ny fanajana ny sainam-pirenena manerana izao tontolo izao. Samy manindrahindra ny azy ireo firenena maneran-tany. Maro anefa ny malagasy no tsy mahalala izany, hany ka manimbazimba sy tsy manaja ny sainam-pirenena. Nitondra fanazavana sy fampianarana momba ny fanajana ny sainam-pirenena ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera tamin’iny herinandro iny.
Antoky ny fiandrianan’ny firenena 1 sy ny fandrosoan’ny fireneny ny fahalalana ny kolontsaina sy ny soatoavina ao aminy. Isan’izany ny fanajana ny sainam-pirenena. Ka vao any amin’ny garabola ny ankizy dia efa tokony ahay ny atao hoe sainam-pirenena .
Maro ireo fomba tokon'ny olom-pirenena rehefa mampiaka-tsaina na mampody saina ho mariky ny fanajana izany.
Na mahita akaiky na alavitra dia tokony hanaja ny sainam-pirenena foana ny olom-pirenena tsirairay indrindra fa ombana hiram-pirenena izany. Mariky ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ny fampiakarana ny sainam-pirenena amin'izao fankalazana ny faha 59 taona nahazon'ny malagasy ny fahaleovan-tena izao
Felana RAKOTOARISOLO