Mitohy ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Ho an’i Madagasikara manokana dia mbola olana goavana mitoetra hatrany ny resaka fampiasana ny ankizy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Natokana ho andro iraisam-pirenena ho fanoherana ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona sy ny fampiasana ankizy an-tery ny androany, saingy betsaka ho an’ireo ireo zaza malagasy maro dia mbola tsy voahaja izany zon’izy ireo izany hatramin’izao.
Miasa, mizaka ny tsy eran’ny ainy ; ankizy 1 tapitrisa sy 2 hetsy, eo anelanelan’ny 5 taona hatramin’ny 14 taona, no mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fampiasana an-terivozona sy ireo karazan’asa mety hitera-doza ho azy ireo :araka ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny asa amerikana ny taona 2016. Ohatra ao anatin’izany ny asa an-trano, ny fivarotan-tena sy ny maro hafa ampanaovina ny ankizy tsy ampy taona, izay voararan’ny lalàna. Manana andraikitra mifanandrify amin’izany ady atao amin’ny ankizy izany ny UNICEF, sampana iray misahana ny ankizy.
Efa misy anefa ny ezaka ataon’ny UNICEF, izay hiarahana hatrany amin’ny fitondram-panjakana, momba izay olana sedrain’ny zaza Malagasy izay. Misy ny fiaraha-miasan’ny UNICEF amin’ny BIT, ny ministeran’ny asa amin’ny fanamafisanana ny falalahan’ny fanaraha-maso ataon’ny inspection de travail, manoloana izay fampiasana ny ankizy amin’ny tsy rariny izay.
Mitohy hatrany ny fanentanana amin’izay ady amin’ny fampiasana ny ankizy izay, tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay avy. Mba tsy ho ny tsy fahampian’ny vola miditra ao an-trano no hanerena ny zaza hiasa tsy araka ny tokony ho zon’izy ireo.
Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO