Tontosa  teo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ny androm-bavaka iraisam-pirenena. Firaisan’ny fiangonana sy ireo fikambanana kristiana rehetra maneran-tany izy ity, ary fandraisan’andraikitry mpino kristianina amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Ezaka ataon’ny fiangonana sy ny fikambana kristianina ny fanaovana izao androm-bavaka maneran-tany izao, ny fikambanana mampiely Baiboly sy ny mpiara mamaky ny Baiboly no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika. Raha ny tantara, tany Afrika atsimo no nipoiran’izy ity voalohany ary niparitaka tsikelikely izany avy eo. Nosantarina tamin’ny diabe ity Global Day Of Prayer ity, narahan’ny dihy mirindra eny an-dalambe na koa ny “Flash mob”. Hoan’ny tapak’andro hariva dia nisy ny vondrom-bavaka iraisan’ny mpino kristiana rehetra.

 

Matetika, manodidina ny fetin’ny pantekosta no hanatanerahina ny Global day of prayer. Ny pentokosta izay fetin’ny mpino kristianina.

Faha 16 amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vavaka ny natao , ezahana hatrany ny hitohizan’ny tahaka izao, hoy ny tomponandraikitra mpikarakara.

 

Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO