Hisy ny lamina manokana hampidirana rano fisotro madio hoan’ny faritra atsinanana sy andrefan’Antananarivo.

Manana olana eo amin’ny famatsiandrano fisotro madio ny faritra atsinanana sy andrefan’Antananarivo toy ny etsy Ambohimangakely, Ambatomaro, Ambohibe Ilafy, Itaosy, Fenoarivo, Ampitatafika, Ambohimahitsy ary Ambohitrimanjaka.

Hisy araka izany ny fametrahana lavadrano afaka manome rano hatrany amin’ny 100 m3 hoan’ireo faritra ireo, izay tetik’asa vonjy aina ihany io amin’ny fampidiran-drano fisotro madio, fa mbola hisy ny tetikasa goavana izay entina hamatsiana rano azy ireo. Hisy ny fanomezan-dàlana manokana hoan’ireo orinasa voakasik’izany amin’ny fanatanterahana ny asa mba hahatomombana izany ao anatin’ny fotoana fohy.

Hisy ihany koa tetibola manokana ao anatin’ny lalana mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana hoentina manatanteraka izany asa fampidirandrano izany izay mitentina 5 arivo tapitrisa ariary.

Nangonin’i N. R.