Noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny fankatoavana ny didy hitsivolana raisin’ny Filohampirenena
entina mankatoa ny famatsiambola mitentina 150.000.000 dôlara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, hoentina mampiditra jiro hoana tokatrano miisa 810.000 sy toeram-pitsaboana miisa 750 manerana ny Nosy.
Mitsinjara toy izao izany famatsiambola izany : 80 tapitrisa dolara natao hanitarana ny asa fizaran-jiro
amin’ny alalan’ny tambazotra sy amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina manerana ny Nosy, 55
tapitrisa dolara hoentina mamatsy ara-bola ny fampidirana herinaratra hoan’ireo toeram-pitsaboana miisa 750, ary 15 tapitrisa dolara entina handrindrana ny asa fampidiran-jiro sy ny hoenti-manatanteraka ny tetik’asa fampidiran-jiro manerana ny Nosy. « Least Cost Electricity Acces Development » (LEAD) no anaran’ity tetik’asa vaovao entina mamatsy herinaratra ity.
Nangonin’i N. R.