Nampanantsoin’ny Bianco ny praiminisitra teo aloha sady minisitry ny atitany tao anatin’ny fitondrana HVM, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny faran’ny herinandro teo noho ny fiahiahiana kolikoly avo lenta nataony tamin’ny fanomezana tsenan’asam-panjakana.

Tsy nisy tsy nahafantatra fa efa voatonona matetika tamin’ny raharaha Ambohimahamasina, raharaha nampidirana am-ponja an’ilay mpandraharaha Claudine Razaimamonjy ity praiminisitra teo aloa ity.

Ankoatra iny raharaha iny, naharay fitarainana maro ny rantsan’ny Bianco tany Antsiranana ny amin’ny fisian’ny kolikoly tamin’ny fanorenana ny biraon’ny kaomina tao Antsiranana Faharoa, ny volana Aogositra 2017. Voalaza tamin’izany ny fidangan’ny vola nomen’ny ministeran’ny Atitany nefa tsy nifanaraka tamin’ny fandaniana natao ny fotodrafitrasa vita.

Fantatra ihany koa fa tsy nisy ny tolo-barotra natao tamin’ny fahazoana ny tsenan’asam-panjakana tany amin’io toerana io fa natao kiantrano an-trano ny fanomezana izany. Tsy afa-bela fa voasaringotra tamin’iny raharaha iny ny praiminisitra teo aloha sady minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana Olivier.

 

2 nalefa eny am-ponja

 

Santionany ihany iny tranga tany Antsiranana iny araka ny loharanom-baovao iray azonay. Mbola maro ny raharaha ho hadiadian’ny Bianco sy ny PAC (Pôle anti-corruption) azy ary tsy maintsy ho atolotra ny Fitsarana Avo na Haute Cour de Justice ny raharaha aorian’izay.

Mbola vesatra hanenjehana an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier ny nahitan’ny Bianco ny fampiasana hosoka mikasika ny taratasy famoaham-bola nitentina 1 miliara ariary tamin’ny tsenan’asam-panjakana. Io volabe io izay voalaza fa nomena orinasa iray hanaovana foto-drafitrasa izay tsy nisy akory.

Olona 7 hatramin’izao no efa nohainoan’ny PAC ka ny 2 tamin’izy ireo no efa notanana am-ponja vonjimaika raha toa ka mbola hanaovana fanadihadiana i Mahafaly Solonandrasana Olivier. Andrasana arak’izany ny fivoaran’ity raharaha ity.

 

J.C.