Fianakavianay, namanay ary zanakay ianareo eto amin'ny Akamasoa.
Izany no iarahanay dimy mianaka mankalaza ny noely miaraka aminareo isan-taona.
Mino sy manantena aho amin'izao andro nahaterahan'ny mpamonjy izao fa hanana ny ho avy mamiratra i Madagasikara.
Ny faniriantsika dia mba hifankatia ny Malagasy rehetra, hifanome tanana hanavotra an'i Madagasikara malalantsika ary hiaraka hikatsaka ny soa iombonana.