Toa zary lasa resabe ao Toamasina ankehitriny ilay raharaha izay nitsoahana gadra iray ny fonjamben’Ambalatavoahangy, satria tafatsoaka nandritran’ny fotoana nanomezan’ny tompon’andraikitry ny fahasalaman’ny voafonja azy alalana hitsabo tena i Roby Alphonse, tamin’iny volana novambra lasa teo iny.

Raha tsiahivina mantsy dia izy ilay lehilahy voaheloka higadra roa taona vokatry ny resaka ady tany sy fandrahonana ho faty nataony tamina ramatoa iray. Nilaza manko ity gadra ity fa aretina vokatry ny daroka nataon’ny FIP azy no nahazo azy.

Nisambotra azy ireo polisin’ny FIP tao Toamasina araka ny didim-pitsarana azony, satria tsy nanatrika ny fitsarana ambony izy tamin’izany fotoana izany. Ny mampametra-panotaniana ny maro izao dia ny hoe : «niniana navoaka ny fonja ve ity lehilahy ity mba nahafahany mitsoaka?” sa dia hoe “nanararaotra ny tsy fahasalamany izy nandritra ny fotoana nitsaboana azy?”.

Nanamafy anefa ny talen’ny fandraharaharana ny fonja ao Toamasina, Napou Jeremie, fa tetika efa voahoman’ity gadra ity mialoha iny tranga iny fa tsy misy fiaraha-miombon’antoka velively. “Tsy nisy nanampo iny fihetsika nataony iny, ka heloka miampy heloka izao nataon’ingahy Roby Alphonse izao noho izany”, hoy ihany izy.

Nanazava ihany koa ny teo anivon’ny DRAP (talem-paritry ny fiadidiana ny fonja) fa fihetsika tsy eken’ny lalàna izao ka tsy maintsy hahazo ny sazy mafy mendrika azy ity lehilahy ity.


Mbola mitohy arak’izany ny fikarohana azy. Iaraha-mahalala anefa ny tsy fahampian’ny fitaovana eo ampelatanan’ireo mpitandro filaminana eto amin’ny firenena, sy ny havitsin’izy ireo raha oharina amin’ny habetsakin’ny mponina sy ny hadadasikin’ny velaran-tany sahaniny. Mbola ho voasambotra ihany tokoa ve ingahy Roby Alphonse sa dia efa nadio tanteraka ny rano nitsahany?


Felaniaina Tiavina