Ny fahasalamana no voalohan-karena ary vahoaka salama no antoky ny fampandrosoana.
Amin’izao 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮 izao dia manamafy ny 𝗩𝗲𝗹𝗶𝗿𝗮𝗻𝗼 izay nataoko tamin’ny Vahoaka Malagasy aho. Ary mametraka ho laharam-pahamehana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana manakaiky ny vahoaka.
Tao anatin’ny telo taona dia nanangana hopitaly manarapenitra 13 sy CSBII miisa 111 isika. Ka nisitraka izany avokoa na ny vahoaka an-drenivohitra na ireo any amin’ireo toerana tena alavitra. Ezaka goavana nataontsika ihany koa ny fanaovana ho maimaim-poana ireo fitsaboana voalohany eny anivon’ny sampandraharaha Vonjy Aina manerana ny hopitalim-panjakana. Manohy ny ezaka isika mba 𝗵𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗸𝗮𝗹𝗶𝘁𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮.