Tsy azo sandaim-bola ary tsy afaka refesina ny hasin'ny rano, ny lanjany sy ny maha zava-dehibe azy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona. Ny rano dia Aina. Mamelona sy mamonjy ary manavotra ihany koa.
Amin'izao andro iraisam-pirenena hoan'ny Rano izao dia mahatsiaro manokana ny Vahoaka Malagasy rehetra ny tenako. Fa indrindra ireo mpiray Tanindrazana any Atsimo izay mijaly rano sy iharan'ny hain-tany isan-taona nohon'ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mbola maro ireo Malagasy no tojo olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio. Maro ireo tetikasa volavolain'ny Fitondram-panjakana miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka amintsika hanatrarana ny tanjona napetraka dia ny fanomezana rano hoan'ny rehetra.
Velirano natao io ary tsy maintsy tanterahina.