Naniry mafy ny ahita ahy i Fayonne Armada Ofisialy , mpanakanto mpihira zanak'Analanjirofo. Namoronany hira mihitsy izany nofinofiny izany. Tsy nijanona ho nofinofiny ihany anefa fa faniriana niraisan'ireo tanora marobe eto Analanjirofo no nentiny anatin'ilay hirany hoe "Mamangia Président".

Tanteraka teto Fenoarivo Atsinanana ny nofinofiny ary tafahaona soa aman-tsara tamiko i Fayonne sy ireo tanora aman'arivony eto amin'ny Faritra Analanjirofo. Nampihetsi-po sy nahafinaritra ny fihaonana ary mipetraka ho tantara ny fifankafantarana tamin'i Fayonne.

 

Ka nandritry ny fihaonako taminy tao Fenoarivo Atsinanana ny sabotsy 19 martsa teo no nampantenaiko azy ny hanolorako azy « moto » hahafahany mivezivezy nohon’ny lalan-dratsy mankany an-tananany. Tonga soa aman-tsara any amin’i Fayonne ny « moto » androany.

Antenaiko ny mbola hihaonanay indray, ho tonga hamangy azy sy ireo tanora marobe ao an-tananany.