Nafonja ny hafatr’i Ramatoa vadiko sady Filohan’ny Fikambanana Fitia Mialy RAJOELINA, ho an’ny vehivavy malagasy : « Ao anatintsika rehetra dia misy hazavana izay tsy tokony ho takonan’ny hafa »

Midika fiaraha-mientan’ny lahy sy ny vavy ny fitovianjo hoy izy ary mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy fa tsy sanatria akory mpifaninana na mpifanandrina.

 

Nanainga manokana ihany koa ireo fikambanana nasionaly sy iraisampirenena, ireo vondrona miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena ny tenany mba hanamafy ny ezaka rehetra hanatrarana ny fitovian-jo. Ary mamporisika ireo mpisehatra rehetra mba hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fanamby momba ny miralenta mba hahafahan’ny vehivavy mitondra an-kalalahana ny fahaiza-manaony, ny talentany sy ny fahalalany eo amin’ny sehatra misy azy avy.

 

Ny vehivavy no loharano nipoirana, sy nahitana masoandro. Ianareo no nanome aina sy namelona. Laharam-pahamehana ho ahy, ho anay mivady, ny fanajana sy fiarovana ny zon’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina . Tsapako ihany koa fa ny vehivavy dia manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena.

 

Ary amporisihako hatrany ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana.

Izany indrindra no nahatongavako, nanome voninahitra ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa niaraka tamin-dRamatoa vadiko sy ireo vehivavy Malagasy marobe avy amin’ireo faritra rehetra manerana ny nosy.

 

Miarahaba ny vehivavy Malagasy rehetra ny tenako noho izao andro natokana ho anareo izao. Hanohana sy hanampy anareo hatrany ny tenako amin’ireo tetikasa sy vina hitondra fivoarana ho an’i Madagasikara sy hanatsara ny fiainan’ireo vehivavy.

Tsy irery ianareo fa hifanampy isika, eto aho hanampy anareo.