Nisy ihany koa tamin’ity andro voalohan’ny fankalazana ity ny fampisehoana ny fahaiza-manao sy ny asa-tanan’ireo vehivavy Malagasy. Voasolo tena ary nampiranty ireo akora sy vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy ireo solontenan’ireo vehivavy avy amin’ny faritra 23.
Nitohy io tolakandro io ny fankalazana tamin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona sy fizarana traikefa nataon’ireo vehivavy vitsivitsy avy amin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ny lalana nodiavin’izy ireo ka nahatongavana amin’ny fahombiazana.
 
« VIAVY MIAVOTSE, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovainjafy »