Antsirabe no mandray ny ivon'ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny 7 martsa sy ny 8 martsa 2022.
Ny varotra fampiratiana ny asan'ny vehivavy eo amin'ny araben'ny Fahaleovantena sy fijoroana vavolombelona ataon'ireo vehivavy ao amin'ny Gymnase Couvert Antsirabe.
ny 8 martsa kosa dia ao amin'ny Kianja Manarapenitra Antsirabe ny ivon'ny fankalazana.
Tsy fety fotsiny ihany ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy fa fotoana natao hampahafantarana, hiarovana sy hanomezan-danja ny zon'ny vehivavy. Fotoana ihany koa hanaovana hetsika samihafa ho an’ny mpiara-belona sy ny Tanindrazana.
Nanombohana ny fankalazana ny 7 martsa 2022 ny fambolen-kazo tao Andraikiba eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny teknika japoney antsoina hoe "Miyawaki", izany hoe ampaniriana mifanakaiky kely ireo hazo mba hampiroborobo azy ireo haingana no nampiasaina teto ahafahana mampitombo ny ala vetivety.
Zava-dehibe ny fiaraha-mientana ho amin’ny tontolo iainana toa izao mba ho antoky ny hoavin’ny taranaka hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy.