Nandritra ny diany tao Manakara ihany koa no nanoloran-dRamatoa vadiko ny "centre d'accès internet" ho an’ny mpianatra ao amin’ny Lycée Sileny. Miisa 25 ankehiitriny ny "centre d'accès internet" napetraka amin'ireo "Maison des jeunes" manerana ny Nosy izay vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange Madagascar efa hatramin’ny taona 2011.
Taorian’izany dia nisy ihany koa ny fitsidihana ny asa fanarenana ny tanàna tao Ampandriamborona izay ravan'ny rivodoza izay notronon’ny Masoivohon'i Suisse miasa eto Madagasikara Atoa Chasper Sarott. Trano miisa 20 natao hazaka rivodoza no atsangana ao an-toerana. Notolorana tohana ara-tsakafo vatsy tsinjo sy kojakoja ilaina andavanandro toy ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy fatana mitsitsy miaro ny tontolo iainana ihany koa ny tokantrano sahirana hanamaivanana ny fahasahiranan’izy ireo.
Tonga soa amantsara tao Manakara ihany koa ny «Caravane de la santé » ary nisitraka ireo karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ireo olona maro tonga tao. Tsiahivina fa ny 02 martsa teo no nanainga tao Antananarivo ny hetsika "caravane de la santé". Nandalo ny faritra amoron'i Mania, Vatovavy ary Fitovinany. Aman'arivony no efa nisitraka tombontsoa tamin'ireo toerana nolalovan'ny "caravane de la santé". Mifanindran-dalana amin'ny hetsika "caravane de la santé" hatrany ny fanentanana ny ady amin'ny herisetra.