Ato anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy dia tonga nanome voninahitra ireo fikambanam-behivavy tany Manakara Ramatoa Vadiko izay sady Filohan’ny Fikambanana Fitia.
Nisy ny fambolen-kazo izay natao tao Antsary. Karazan-janakazo maro no novolena tamin’izany toy ny paulownia, bambou, voanio, raphia, voankazo fihinamboa, accacia ary eucalyptus.
Misy ihany koa ny tetikasa izay naompana manokana ho an’ny vehivavy ho fanohanana azy ireo amin’ny andraikitra goavana iantsorohan’izy ireo ao an-tokantrano.
Nitsidika ny ivotoerana famokarana zanakazo sy ketsa tao Manakara araka izany ny tenany. Miorina amina velarantany 2600m² ity ivon-toerana ity, ary vinavinaina hamokatra zanakazo 140000 isan-taona toy ny kafe, litchis, lavanila, jirofo ary vary, izay hovidian'ny orinasa Sahanala amin'ireo Fikambanam-behivavy Meva sy Femmes Brillantes izay mamokatra ireo zanakazo ireo.
 
Ary ho fanohanana ireto fikambanam-behivavy ireto hatrany dia nanolotra fitaovam-pamokarana isan-karazany ho azy ireo Ramatoa Vadiko.