Teo anivon’ ny Faritra telo samy hafa indray no nanatanterahantsika ny fizaràna ny "Vatsy Tsinjo" ho an'ireo mpiray Tanindrazana traboina sy tojo fahasahiranana taorian'ireo andro ratsy nifanesy teto amin'ny Nosy. Tafiditra tao anatin'izany ny Distrikan'i Toliara II - Faritra Atsimo Andrefana, ny distrikan'i Vohibato ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ary ny kaominin'i Ranomafana- Distrikan’Ifanadiana sy tao amin'ny Distrikan’i Mananjary ho an'ny Faritra Vatovavy.
Ny 26 febroary lasa teo no nanatanterahantsika ny fizaràna ireo "Vatsy Tsinjo" ireo, ary tokantrano maro avy amina fokontany isan-karazany no nisitraka izany.
1-Ho an'ny Faritra ATSIMO ANDREFANA dia tao amin'ny kaominin'i Betsinjaka (fokontan'i Betela sy Betsinjaka Ambony) sy Ankililoaka ( Fokontany Ambondro, Ankiliabo, Ambararatafaly, Ampandrohosy Tanambao, Ankililoaka I sy II) no nanatanterahana ny hetsika.
-Ho an'ny Faritra MATSIATRA AMBONY kosa dia fokontany roa tao amin'ny kaominina Vohimarina no nozaraina ireo fanampiana ka tao anatin'izany ny Fokontan'i Vohimarina sy Lamosina.
-Ary ny FARITRA VATOVAVY, dia tao Ranomafana no nozaraina ny Vatsy Tsinjo ho an'ny Distrikan’Ifanadiana, ka tokantrano traboina avy amin'ny fokontan'i Vohimarina, Sahandrazana, Ampasipotsy, no nisitraka izany. Ho an'ny Distrikan’i Mananjary Faritra Vatovavy hatrany, dia nomena ireo "Vatsy Tsinjo" ihany koa ireo traboina tao amin'ny Fokontany Ambonaramena, Ankadirano, Mahatsinjo, Anosinakoho, Fangato ary Andovosira.