Tsy hiady irery ny vahoakan'Anosibe An'Ala amin'izao fahavoazana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza izao.
Tahaka ireo distrika hafa nandalovan'ny rivodoza nifanesy dia nitondra fanampiana VATSY TSINJO avy amin'ny Fitondra-panjakana ho an'ny vahoaka traboina ihany koa ny tenako. Miray fo amin’ireo mpampianatra FRAM izay tsy mandray tambi-karama aho. Hotolarana TOSIKA FAMENO sy VATSY TSINJO avokoa izy ireo. Raha ny teto Anosibe An’Ala manokana dia omentsika fanampiana ireo Mpampianatra FRAM miisa 54
Ho fitsinjovana ny tanora kosa dia am-pitiavana no anolorako baolina kitra sy « maillots » ho azy ireo ary nanome toromarika ireo tompon'andraikitra ny tenako mba hanajariana haingana ny kianja fanaovana fanatanjahantena mba hanara-penitra ka hisitrahan’izy ireo kianja mendrika.
Farany dia omentsika fitaovana manarapenitra sy maoderina na « appareil de radiologie numérique » ny sampana « Radiologie » eto amin’ny « Centre Hospitalier du district d'Anosibe An'Ala" satria sady efa antitra ireo fitaovana no tsy mandeha intsony nanomboka tamin’ny taona 2018.