Androany ihany koa dia nisitraka ny anjara Vatsy Tsinjo ho azy ireo ny mponina ao amin'ny Distrikan’i Toliara I - Faritra Atsimo Andrefana. Tokantrano miisa 500 avy amin'ny Fokontany miisa 41 no nisitraka izany tany an-toerana.
Toa izany koa ny tao Toliara II: nahazo ny Vatsy Tsinjo ireo tokantrano traboina monina ao amin'ny Kaominina Mitsinjo Betanimena avy amin'ny Fokontany Mitsinjo Sud, Tanandava, Ampasinambo, Befanamy, Alanatsimavo, Andamasina ary Tanambao sy ny mponina ao amin'ny Kaominina Miary avy amin'ny Fokontany Miary ville, Miary Ambohibola, Ankotsahobia, Miary Bereketa, Miary Betsileo, Miary Ankasy, Mandrosoa, Antaikoaky, Agnolary, Miary Akoronga ary Miary Belemboka.