Taorian’ny boriborin-tany faha-2 sy faha-4 omaly dia ny boriborin-tany faha-6 indray no nisitraka ny "Vatsy Tsinjo" androany zoma 25 febroary 2022 teny Andranomena. Tokantrano miisa 1398 avy amin'ny Fokontany Ambodihady, Amboavahy, Ambodimita ary Antsararay no notolorana izany.
Ankoatra ireo Fokontany 4 voalaza ireo, dia mbola hisy Fokontany 15 hafa, avy ao amin'ny Boriboritany faha-6 hisitraka izany "Vatsy Tsinjo" izany ary haharitra hatramin’ny 2 martsa ho avy izao ny fizarana. Hahatratra 5.435 izany no fitambaran’ny tokantrano hahazo fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana ao anatin'ny Boriboritany faha-6.