Isan’ireo nitondra takaitra noho ireo rivodoza nifanesy ny faritra Atsinanana sy ny Faritra Alaotra-Mangoro. Tsy avelantsika irery ireo Mpiray Tanindrazana any an-toerana fa hamangy sy hampahery ary hiaraka hanarina amin’izy ireo isika
Manomboka androany ary mandritra ny andro vitsivitsy dia hitsidika ireo distrika voa mafy any an-toerana ny tenako dia ny distrikan’i Marolambo sy Antanambao Manampotsy ao amin’ny faritra Atsinanana ary ny distrikan’ Anosibe an’ala ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.
Ireo distrika ireo dia zary lasa mitoka-monina sy saro-dalana taorian’ny rivodoza nifanesy. Hamafisiko hatrany fa tsy misy faritra, tsy misy distrika hadino intsony.
Eo anilantsika amin’izany ary isaorantsika ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka toa ny World Food Programme izay manohana antsika hatrany.