Mitohy hatrany ny fanomezana fanampiana ho fitsinjovana ireo Mpiray Tanindrazana izay mbola misedra fahasahiranana taorian’ny fandalovan’ ireo andro ratsy teto amin’ny Nosintsika. Teto an-drenivohitra, ho an’ny Boriborintany FAHAROA dia tokantrano miisa 1170 avy amin’ny fokontany MAHAZOARIVO sy AMBATOROKA no nisitraka ny fanampiana VATSY TSINJO.
Ny tao amin’ny boriborintany FAHAEFATRA indray dia tokantrano miisa 1547 avy amin’ny fokontany AMPEFILOHA AMBODIRANO no nahazo izany androany.
Nitohy androany 21 febroary ihany koa ny fizarana VATSY TSINJO ho an'ny
-FARITRA VATOVAVY : DISTRIKAN'IFANADIANA
-sy ny FARITRA MATSIATRA AMBONY : DISTRIKAN'I LALANGINA sy AMBOHIMAHASOA
 
Tao amin'ny Distrikan'IFANADIANA dia nisitraka izany ireo mponina tao amin'ny Fokontanin'i Sahafotorika, Ambodirafia, Maromena, Fenoarivo I ary Ambodiara izay nahazo Vatsy Tsinjo ahitana Vary 25kg sy fonosana feno entana ilaina andavanandro
Tao amin'ny Distrikan'i Lalangina dia tokantrano traboina avy ao amin'ny kaominina Lalangina, Ambalakely ary Androy Vohiparara no nozaraina izany
Ary ho an'ny Distrikan’Ambohimahasoa dia fokontany miisa 9 no nisitraka izany dia ny Fokontanin'Atalata, Ambomanatrika, Ankiboka, Andondona, Avaratsena, Bemasoandro, Ampanidinana, Ampeviahitra ary Antohabe
Mila mifampitsinjo hatrany isika ao anatin’ny sarotra.