Misaotra an’i Mahanoro tamin’ny fandraisana mafana nataonareo ho anay mivady.
Izahay ihany koa dia tsy manadino anareo fa manampy tanteraka amin’izao fahasahiranana noho ny rivodoza izao ary hiasa hatrany hampipaka ny fifanampiana sy ny fampandrosoana nampanantenaina hatreny anivon’ireo distrika sy kaomina.
Ho an’i Mahanoro manokana dia efa hita mijoro ireo fotodrafitrasa natao hampiova endrika ny tanàna. Ho fanampin’ireo dia havaozina mba ho manara-penitra ny tsenan’i Mahanoro, omena fiara fitondrana marary tsy mataho-dalana ny hopitaly.
 
Ary mba hahatonga ny tena fampandrosoana dia hamboarina ny lalam-pirenena faha-11 miainga avy eto Mahanoro mandalo Nosy Varika ary hipaka hatrany Mananjary. Hamboarina ihany koa ny lalana mampifandray an’ Mahanoro sy Marolambo.