Nakipaky ny rivodoza Batsirai ny ampahany betsaka amin’ny tafon’ny CEG ZONIA FREDERIC eto Mahanoro. Manao tafo lanitra ary lenan’ny orana ireo mpianatra. Tsapa nandritra ny fandalovanay mivady teto fa tena mila fanavaozana ny sekoly. Isan’ny sekoly efa tranainy ihany koa ity CEG ity satria naorina tamin’ny taona 1958, ary manana ny lanjany aty amin’ity toerana ity noho izy ahitana mpianatra manodidina ny 1400 sy mpampianatra maherin’ny 120.
Hosoloina fanitso vaovao avy hatrany arak’izany ny tafo rehetra ary holokoina ny rindrina anatiny sy ivelany. Maika ny asa fanarenana tahak’izao mba hiverenenan’ny fampianarana amin’ny laoniny.