5000ar isan’andro mandritra ny 20 andro no takalon’ny asa vonjy aina nataon’ireo mponina miara-miasa amin’ny FID amin’ny fanadiovana ny tanana sy ireo lakandrano eto Mahanoro. Kaominina 6 manodidina no nanatanterahana izany asa vonjy voina izany ary miisa 900 ireo mpisitraka. Mankasitraka azy ireo sy ny FID ny tenako. Ho fankaherezana azy ireo dia omena ny tosika fameno avokoa izy ireo ambonin’ny karama nifanarahany tamin’ny FID.
 
Ny fiarahana mifarimbona toa izao no manova endrika ny tanàna mba ho kanto sy maha-te honina. Maro rahateo ireo foto-drafitrasa efa vita eto Mahanoro toy ny lalana “béton” mirefy 2,4 km ao an-tampon-tanàna. Hotokanana tsy ho ela ihany koa ny Kianja Manara-penitra eto an-toerana.