Hanolo-tanana, tsy asiam-panavahana, amin’ny fananganana ireo trano sy fiangonana ravan’ny rivodoza eto Mananjary ny fanjakana. Ho atao ny fanisana sy ny fanamarinana ary handefa fanitso ho fanampiana ny fitondrana. Ho fanomezana asa ireo mponina dia ireo mpandrafitra sy mpanao trano eto an-toerana ihany no ho raisina hanao ireo asa fanarenana ireo tranom-panjakana sy fotodrafitrasa simba eto.
Tsapako fa sahirana noho iny rivodoza iny ianareo mponina eto Mananjary. Fotoana izao hanaporofoana ny tena fitiavana ny mpiarabelona sy ny fihavanana koa tsy hitazam-potsiny anareo izahay fa hanampy tanteraka. Koa ankoatry ny Vatsy Tsinjo izay nozaraina androany dia mbola hisy ny fanampiana halefan’ny fitondram-panjakana ho anareo.
Hifanohana isika, hitraka ary hiaraka hiasa, hanarina sy hanorina indray