Hijery ifotony ny zava-misy sy ny fahasahiranana iainan’ny mponina ary hitondra vahaolana no nahatongavako farany izay haingana indrindra eto Mananjary.
Tsy fotoan’ny fitokotokoana izao fa fotoana tsy maintsy hifarimbonana sy handraisan’ny tsirairay andraikitra hanampy ny mpiara-belona aminy arak’izay azo atao. Reko avokoa ny fitarainan’ireo mponina indrindra mahakasika ny fisian'ny mpanararaotra mampiakatra ny vidin’entana toy ny vary.
 
Tsy azo ekena izany indrindra amin'izao fotoan-tsarotra izao! Ary mba hamahana ny olana dia hamboarina haingana dia haingana ny lalana tapaka mba hahafahan’ny olona sy Ireo entana hifamezivezy. Isan’ireo atao laharam-pahamehana ny fahatongavan’ny Vary Tsinjo sy ny solika eto Mananjary mba tsy hisian’ny fanararaotana.