Hanarina ny tananan’i Mananjary izay potika noho ny rivodoza Batsirai isika. Isan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fanarenana ny hopitaly izay rava nefa misy marary manaraka fitsaboana sy reny bevohoka eto. Tsy maintsy afindra toeram-pitsaboana faran’izay haingana izy ireo.
 
Hanangana hopitaly manara-penitra izay ho mafy sy haharitra an-taona maro eto Mananjary ihany koa isika mba tsy hisehoan’ny toa izao intsony no sady ho lovan’ireo taranaka.