Tsapanay ny hirifiry mianjady aminareo traboina ary fantatray ny tsy fahampiana iainanareo amin’izao andro sarotra izao. Izany indrindra no nahatongavanay mivady nanatontosa ny fizarana voalohany ireo VATSY TSINJO, koa ireo tokantrano traboina eto anivon’ny boriborintany voalohany sy fahatelo no nanombohana izany androany.
Teto amin’ny Kianja ALAROBIA dia tokantrano miisa 683 avy amin’ny boriborintany fahatelo no nisitraka izany.
Ary tokantrano miisa 1018 avy amin’ny boriborintany voalohany kosa no nahazo ny anjarany teto amin’ny Kianja MAKI Andohatapenaka. Afaka andro vitsivitsy dia hisitraka ny TOSIKA FAMENO mitentina 100.000 ariary isan-tokantrano izy ireo, ho fanampiana.
 
Mifanampy isika ary ny karinem-pokontany manara-penitra sy misy QR Code no ahafahantsika mandrindra izany.
Eo anilanareo hatrany izahay, mifampitsinjo isika ary tsy hisy ny tokantrano traboina ho diso anjara.