Na dia alahady aza ny andro dia mitohy hatrany ny fikarakarana ny VATSY TSINJO hoan'ireo tokantrano traboina izay ahitana vary 25 kg, voamaina 3kg, menaka iray litatra, sardines roa boaty, savony 5 isa, koba aina 1kg, sira ary CVO Tambavy fonosana iray avy.
Hanomboka rahampitso ny fizarana izany amin’ireo traboina eny amin’ny Fokontanin’ Andohatapenaka II sy Ankorondrano. Koa ireo manana karinem-pokontany vaovao misy QR code no hisitraka izany voalohany.
Mamerina ny fankasitrahana ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ireo fikambanana maro tsy mitandro hasasarana ho fanampiana ny mpiray Tanindrazana.