Mba ahafahana mandamina ny fivezivezen'ny traboina raisina an-tanana ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ary mba hialana amin’ny fanararaotana samihafa dia zaraina tapakila ireo tena traboina mivezivezy miditra sy mivoaka ny faritra ametrahana azy, indrindra ireo tsy maintsy mivoaka mamonjy ny asany andavan’andro.
Amin’ny maha mpandrindra ny toerana ny SENVH dia nandray an-tanana ny fandaminana ny tapakila ny tompon’andraikitra, niarahana niasa akaiky tamin'ny lehiben'ny distrika Tana IV.
 
Atao mangarahara avokoa ny fitantanana rehetra amin'ny fandraisana an-tanana ireo tra-boina ireo. Miisa 3488 ireo traboina raisina an-tanana ao amin’ny Kianja Barea ny 27 janoary 2021 taorian'ireo izay efa lasa namonjy ny toeram-ponenany.