Miroso ny asa ary efa taza-maso ireo efitrano lehibe ho an'ny trano natokana ho an’ireo bekotro maroholatra, maherifon’ny firenena eto Moramanga.
Ny 03 septambra 2020 no napetraka ny vatofototr'ity fotodrafitrasa izay afaka handray olona 120 ity. Miorina eo amin’ny velaran-tany mirefy 6 600 m2 ny trano ary hahitana efitra lehibe fisakafoanana, fatoriana ary koa toerana ahafahan’izy ireo miala voly.
 
Hisy ihany koa ny toeram-pitsaboana hahafahan’ireo beantitra misitraka fanaraha-maso ara-pahasalamana maimaimpoana.